Madagascar: MAITSO TSARA / Kaominina Tsiafahy – Antananarivo Atsimondrano; Maitso Tsara mientana ho amin’ny Miralenta antoky ny ady amin’ny Fiovaovan’ny Toetrandro

| Gender Links
2012, Hisian’ny fampandrosoana Maharitra sy ny Miralenta eo amin’ ny Kaominina Tsiafahy dia nivondrona ny tanora miisa 10 ka nanangana Fikambanana ara-panjakana nantsoina hoe “Maitso Tsara”.Araka izany dia tsy maintsy niofana momba ny Miralenta sy ny Fiovaovan’ny toetrandro. (Gender Links - FES), ny fahasalamam-bahoaka (Diorano Wash).Nandrafitra ny Drafitrasa Kaominaly niaraka tamin’ny Gender Links sy ny kaominina Tsiafahy ny 2011 (IMV Tsimbazaza) ny 2014 (Le Carat) ny 2018 (Tsararivotra).Miavaka ilay tetikasa satria tsotra, azo tanterahina, azo ampiharina amin’ny toeran-kafa ary tena mivoy ny Miralenta sy ny fiovaovan’ny toetrandro.Maitso Tsara dia niara niasa sady nanofana Sekoly, fiangonana, tsena, vahoaka ifotony, mikasika ireo Politika Fiatrehana sy Fanalefahana ny fiovaovan’ny toetrandro ; ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny Vehivavy ary ady ho amin’ny Miralenta. (Vina ONG Gender Links)Nanentana ireo Hafatra 4 Diorano Wash (Vina ONG Manorintsoa – Union Européenne)Nivoatra araka ny vanim – potoana ny tanjona.Ny taona 2013, isan’ny tanjona notratrarina ny :– Fambolen-kazo (hamerina indray an’i madagasikara ho Nosy Maitso izay nosy Mena ankehitriny) ;– Fiarovana ny tontolo iainana ;– Fahazoana traikefa momba ny Miralenta sy ny Fiovaovan’ny Toetrandro– Fahazoana traikefa momba ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy.Ny taona 2014, isan’ny tanjona notratrarina ihany koa ny :– Fahasalamam – bahoaka ka hampita ireo Hafatra efatra Diorano Wash (Fanasan-tanana amin’ny rano sy savony, fampiasana lava-piringa ara-pahasalamana, fahadiovan’ny rano fisotro, fahadiovan’ny vehivavy mandritry ny fotoana fadimbolana.)– Fitaizana ny tanora ho tia fanatanjahantena– Fampiofanana sekoly, fiangonana, Fokontany sns. ny resaka Miralenta, herisetra mihatra amin’ny vehivavy sy ireo Politika roa fiadiana ny fiovaovan’ny toetrandro.2014 : a) Nanentana isam – pokontany hampihenàna an – tsasamanila ny tahan’ny herisetra amin’ny vehivavy.
- b) Nanao « visite échange 2 » , Sortie Verte Ampefy.
- d) Nanomboka niara niasa tamin’ny ONG Manorintsoa sy ny Diorano Wash izay iantsorohan’ny vondrona eropeana momba ny Rano Fidiovana Fanadiovana ka nisehatra teny amin’ny vahoaka ifotony.
- e) Nanaraka fiofanana momba ny “Leadership”, “Droit de l’homme”, “Baromètre de perception citoyenne”, fitantanam-panjakana (CNEAGR Nanisana – WaterAid, Manorintsoa, Diorano Wash)
- f) Nanao « mise à jour » ny Drafitrasa kaominaly manaraka. (Le Carat – Gender Links)
Comments
Related Stories Of Change






