Madagascar: Commune Rurale Analavory

Ao anatin’ny faritra Analamanga no misy ny Kaominina ambanivohitra Analavory. Ny kaominina dia mirefy 106 km2ary ahitana mponina miisa 67 900 ary fokontany miisa 24. 58%n’ny mponina dia vehivavy avokoa ary ny ankamaroan’ny mponina dia mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana, indrindra fa ny fiompiana trondro. Anjoman’Ankona dia manana sekoly ambaratonga voalohany miisa 27 ary sekoly ambaratonga faharoa miisa 4. Ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny fanomezan-danja ny vehivavy dia tafiditra ao amin'ny tanjon'ny kaominina, indrindra nandritra ireo taona vitsy lasa.
Fivorian’ny birao Miralenta kaominina Analavory nananganana ny drafitrasa taona 2017 notarihan’ny filoha, miaraka amin’ireo mpikambana rehetra tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina (Mai 2017), ny anton’izany dia fanavaozana ny drafitrasa Miralenta.
Fivorian’ny herivelona tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2017 ho fiarovana amin’ny fanolanana sy iadiana amin’ny herisetra satria nahitana izany tranga izany eo anivon’ny Kaominina
Atrikasa mikasika ny fananan-tany satria dia tena ilaina tokoa ny torolalana eo amin’io sehatra io.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no : Nametrahana tetibolan’ny Miralenta;nampitomboana fotodrafitrasa (rano, sekoly, tohadrano, jiro,tobin’ny zandary, fahasalamana,); Fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toe-trandro; Fananan-tany sy toeram-ponenana; Serasera ; Toe-karena; Fampahefana ny vehivavy; Fiaraha-miombon’antoka.
| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 156 | $ 125 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 156,25 | $ 156,25 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 312,5 | $ 612,5 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 12 812,5 | $ 12 812,5 |
Comments
Related Stories Of Change








