Skip to content

Madagascar: Analavory; ” Fiarovana ny sahandriaka sy lemaka voatondraka “

Wave purple 2x
| Gender Links
Ny fiarovana ny sahandriaka sy lemaka voatondraka dia fiarovana ny tontolo iainana noho ny tondra-drano na ny hai-tany sady fampakarana ny taham-bokatra .Fanajariana no fikojana ny tany sy ny zavaboahary .Fampifandanjana ny fitombon’ny mponina sy ny vokatra vokarina.Fiarovana ny tontolo iainanaAdy amin’ny tsy fanjarian-tsakafoAdy amin’ny doro-tanetyVoly hazoFandriampahalemanaAsaSerasera (SADC, ODD)Fanaovana drafitrasa mifanaraka amin’ny PCDFandrafetana PTAFanaovana aro afoFambolena hazoFanaovana voly manaraka tsipika (courbe de niveau)Fanaovana aro-riakaFanokafana sy fisavana ny tatadrano manodidina ny lemaka mba hiarovana ny riaka sy ny antsanga ary ny fasika tsy hanototra ny tanimbaryFitadiavana tohana sy mpiara-miombonantokaAmin’ny ankapobeny, eo amin’ny 170 ny olona nahazo tombotsoa; Eo amin 70% eo no ho eo ny vehivavy amin’ireo156,25 USD ny tetibola mahaleotena momba ny Miralenta, 10 680,2 USD ny avy amina fandaharan’asa efa misy, 45.986,71USD avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. 56 812,55USD izany no tetibola nilaina nanatanterahana ny tetikasa.Atontan’isa : fihenan’ny doro-tanety 70 %Fiakaran’ny vokatra : 3t/ha lasa 5t na 6t/haFari-piainan’ny mponina (miakatra)Mianatra ny ankizySalamaMilaminaFoana ny herisetraFomba fanaraha-maso sy tombana nampiasaina mba handrefesana ny fahombiazan’ilay tetikasa : Drafitrasa, PTA, vina, tanjona, tarehi-marika.Maro ny olana nosedraina tamin’ny fanantanterahana ny asa : tao ny famolavolana ny atonta-taratasy fangatahana isan’ambaratonga . Tao ny fitadiavana mpira-miombon’antoka , ny fanagonana ny anjara-biriky ny mpahazo tombotsoa .Nisy ny havizanana sy ny harerahana , ny fahasahiranana …Ny namahana ny olana dia ny firaisan-kina vokatry ny fanentanana araky ny ohabolana :”tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto “. Teo koa ny serasera nanamora ny fahitana mpiara-miombon’antoka.Nisy fiovana teo amin’ny fifandraisan’ny mpivady sy fianakaviana ny asa natao satria “ ny enta-tsinjarai-mora zaka “. Nanamora sy nanamaivana ny fahasahiranana teo amin’ny tokantrano ny fiaraha-miasa . Nisy firaisan-kina , fifankazahoana am-po teo amin’ny mpivady sy ny fifandraisan’ny zanaka sy ny ray aman-dreny , araka ny ohabolana manao hoe “” ny iray vatsy hono iray aina , ny iray donakafo iray petsapetsa “ .Ny fiovana nisy teo amin’ny fiarahamonina taorian’ny fanatanterahana ny teti-kasa di any fandrosoana . Nitombo ny mponina ,voaaro ny tontolo iainana ,mitombo ny vokatra , mamokatra ny tany ,nandeha ny tsena ,nahazo fahalalana ny vavy sy ny lahy tamin’ny fiofanana teo amin’ny fandraharahana . Salama ka afaka miasa ;milamina ny tanàna , foana ny hala-botry .”Mandehana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony “.“Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka “.Ezaka tokony hatao mba hanohizana sy hanamafisana ny vokatra efa azo : fanitarana ny tetikasa, fanamafisana ny fahaiza-manao, mifanakalo traik’efa, fananana drafitrasa, fiaraha-miasa .Fandraisana andraikitraAsa tokony hatao mba hifampizarana traikefa amin’ny fikambanana hafa : fifanakalozana, fiofanana, fanatsrana ny serasera, fiaraha-miombon’antoka.

Comments