Madagascar: HANITRARINAIVO Mamy Patricia

"Fanofanana Zaitra ireo zatovovavy tambanivohitra nitsoaka an-daharana tany an-tsekoly kaominina Ambovombe centre, Manandriana mihoitra ara-toe-karena, Vehivavy sy ny fampandrosoana maharitra hoan’ ny fanjarian-tsakafo".
Fanofanana Zaitra ireo Zatovovavy nitsoaka an-daharana tany an-tsekoly avy amin’ireo kaominina sy distrika anatin’ny faritra Amoron’i Mania mba isian’ny fitoviana ara-toe-karena mitaha amin’ny lehilahy.
Fitoviana ara-toe-karena mitaha amin’ny lehilahy ka amin’ny alalan’ny fampianarana sy fiofanana ary fampandrosoana ara-toe-karena (fanomezana sehatra eo amin’ny lafiny fihariana, tsy hisian’ny ELANELANA eo amin’ny sehatry ny asa );
Mampiroborobo ny sehatry ny fampanan’asa sy ny fiofanana arak’asa hoan’ny tanora vavy sy lahy;Manamafy ny talenta sy ny fahaiza-manao miteraka fivoarana ny maha olona sy ny toerana misy;Manan-danja eo amin’ny fiaraha-monina satria vehivavy tsy miankin-doha amin’ny lehilahy;Manan-danja eo amin’ny firenena satria vehivavy mandray andraikitra mitondra fampandrosoana;Manamaivana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny tantsaha;Fitsinjovana ireo tovovavy voatery hijanona tsy afaka hanohy ny fianarany ary manana fahaiza-manao mialohan’ny hirosoany amin’ny fanambadiana; Afaka miasa, mampidi-bola manampy ny ray aman-dreniny izay mbola sahirana amin’ny famelomana ny zandriny;Azo antoka ny ho aviny satria manana ny asa fivelomany izireo;Manafoana ny fanavakavahana eo amin’ny lahy sy vavy amin’ny zo manandrify azy.
Ireoto manaraka ireo ny asa natao tamin'izany:- Niasa taminà distrika Manandriana izahay ka fokontany 6 no niasàna; nihaona tamin’ny sefo distrika sy ny Ben’ny Tanàna ,ny mpiasan’ny mponina sy ny fihahiana ara-tsôsialy ary ny mpiandraikitra ny fampananan’asa sy fampiofanna ara-teknika tany an-toerana mahakasika ny tetikasa izay hatao;
- Niainga taminà asa fanadihadiana izahay mahakasika ny fiainan’ny tokantrano sahirana,marefo ara-pivelomanana (mpivady maro anaka, miaina amin’ny sarakantsaha isan’andro...) mahakasika ny fidiram-bolany sy ny adidiny;
- Nosokajiana ireo fokontany ary hita fa 75%n’ireo fokontany niasana dia nahitàna tovovavy tsy mianatra avokoa;
- Nandrafitra ny tetikasa izahay ka natolotray ny fandaharanasa FORMAPROD teto Ambositra mba hanohanana ity tetikasanay ity;
- Nampahafantatra t@ alalan’ny onjam-peo sy peta-drindrina ihany koa ny fisian’ny ivo-toeram-piofanana sy ny tanjona ary ny antom-pisiany indrindra ny tetikasa hataonay manoloana ny fahatsapana hita ;
Ireo ASA notanterahina isaky ny dingana:
- Fampiasana fitaovana toy ny fisy fanadihadiana nahitana ny : anaran’ny loham-pianakaviana, isan’ny zaza nateraka, taona, lahy sa vavy, asan’ny ray aman-dreny, isan’ny mianatra sa tsia, fikajiana ny fidiram-bola sy ny fandaniana ao anatin’ny taona;
- nanatanteraka dinidinika niarahana tamin’ireo ray aman-dreny nanaovana tatitra ny valin’ny fanadihadiana sy nanazavana ny antom-pisian’ny tetikasanay mahakasika ireo tanora vavy sy lahy ka mbola manana fanirina ho an’ny fampananan’asa sy fanofanana arakasa (toerana : biraon’ny kaominina),izay tapak’evitra dia nanao fangatahana ka nalefanay any amin’ilay mpandrindra-paritry ny tetikasa .
Mpianatra andiany voalohany nahazo fiofanana tao amin’ny CFP TAFITA Manandriana ny tenako (septambra 2015- febroary 2016), faly dia faly tokoa aho izao satria afaka miatrika asa avy hatrany. Nahazo milina fanjairana tsirairay izahay. Afaka niasa avy hatrany ka ny vokatra vitako efa-bolana taorian’ny nahazoana milina fanjairana dia blozy, kilaotin-jaza, zipo tenu mpianatra CEG eto an-tanàna ihany. Tafiditra tao anatin’ny fidiran’ny mpianatra ka nahazo “clients” : ray aman-drenin’ny mpianatra ny tenako.Tsy vehivavy midonanam-poana intsony fa efa manana anton’asa sy mampidi-bola aho.
Misaotra, mankasitraka ny Fikambanam-behivavy tompon’ny tetikasa nanome anay io fiofanana io sy ny mpiaramiombonantoka.
Manentana ireo zatovo vavy mitovy amiko hanatona ny CFP sy hiresaka amin’ny filohan’ny fikambanana fa maimaim-poana ny fiofanana sady mahazo fampitaovana ihany koa.
Comments
Related Stories Of Change


