Skip to content

FAMPIHARANA NY MIRALENTA HO FAMPANDROSOANA HO AN ’NY TSIRAIRAY ETO AMIN ’NY IVON-TOERANA MENDRIKA KAOMININA RENIVOHITRA MORAMANGA

Linecurve pink 2x
| Gender Links
FAMPIHARANA NY MIRALENTA HO FAMPANDROSOANA HO AN ’NY TSIRAIRAY ETO AMIN ’NY IVON-TOERANA MENDRIKA KAOMININA RENIVOHITRA MORAMANGA

RAVELOARISOA Aurélie Eléonore Izaho, RAVELOARISOA Aurélie Eléonore, mpitarika ny Vondrona Miralenta eto Moramangasy Filoha lefitra sy Mpanolotsaina Kaominina ambonivohitry Moramanga sady Candidat ho Ben ’ny Tanana, dia manaporofo ny fiaraha-miasa teo amin ’ny Kaominina ny fampidirana ny miralenta ka nahatonga ny kaominina ho Ivo-toerana Mendrika. Misy ny fandraisana andraikitra ho fampivoarana sy fampandrosoana ny fiainan ’ny tsirairay. Maniry ny tenako ny fitohizan ’ny asa amin ’ny fiarahana amin ’ny SADEC satria ny fampiofanana izay nataon ’ny GENDERLINKES dia nampivoatra ny fari-piainan ’ny vehivavy. Fivoarana eo amin ’ny lafiny politika ampiharina izay vokatry ny asa nataon ’ny Ivo-toerana Mendrika. Hanavao sy hamongotra tanteraka ireo fanao mahazatra, ka anisan ’ireo fanao sosialy sy politika ary fomba fanao eo amin ’ny toe-karena sy kolo-tsaina mbamin ’ireo finoana izay manome rariny sy mandranitra ny fitohizan ’ny herisetra GBV ka mahatonga azy hahazo vahana. Sehatra kendrena hatramin ’ny lamin ’asa aorian ’ny 2015. Fepetra arahina mikasika ny herisetra GBV araka ny hita ao amin ’ny fifanarahan ’ny SADC momba ny Miralenta. Ny Ivo-toerana Mendrika dia efa nanao vina hanampiana ireo niharan ’ny herisetra GBV. Ireo mpiandraikitra dia efa nanome fiofanana momba ny miralenta anisan ’izany ny Polisim-pirenena sy ny Fitsarana. Ny porofo dia ny mpiasa miandraikitra ny rehetra ao amin ’ny Fitsarana ary ny mpiasa misahana ny fahasalamana sy ny raharaha sosialy.

Comments