Skip to content

Madagascar - RASOAMANANDRAY Paule Liliane

Linecurve pink 2x
| Gender Links

05172_gl_gjlg_summit_regional_-_032_vololoniaina-rasoamanandray_madagascar.jpg
Ny tantarako dia vehivavy sahirana no sady niharan’ny herisetra izaho. Mamelona zaza telo mianadahy ,rehefa maheno tamin’ny radio izaho nanatona ny tomponandraikitra amin’ny vehivavy. Niresaka tamiko izy fa ho raisiny anaty fikambanana ny tenako .rehefa voaray ho mpikambana tao amin’ny gender links izaho dia nampiofana momba ny fitantanana ara-bola ny fanatsarana kalitaony zavatra amidy ny fanaovana am-bava ary rehefa notaterahako ireo toromarika izay nomendry zareo dia nahita fahombiazana ka lasa nahazo kisoa ary ny kisoa nompiana ka izay vola azo avy amin’ny tombibarotra isanandro dia ividianana ny sakafo isanandro ka ny ambony ampirinina .

Rehefa manana ambim-bava izaho satria rehefa tonga ny faha 9 ny volana amidy ilay kisoa . ary raha kisoa novidiana 70000Ar dia lafo 800000Ar manampy ny vola kely izay voatahiry tamin’ny tombimbarotra ka mifaly sy mahatsiaro miaina tsara izahay mianankavy satria afaka mampianatra ny zanako sy mba mitafy madio .

Rehefa itan’ny fianakaviako izaho fa nahavita mamelon-tena samy irery dia gaga ry zareo no sady manontany manao hoe iza no nanampy andry ,sady mamaly izaono manao hoe nisy fikambanana nanoro hevitra ahy momba ny fahaizana mitantana ny vola azo amin’ny tombombarotra , faly ery ry zareo satria lasa tsy vesatra eo amin’ny fiaraha-monina izahay fa lasa manampy ny fianakaviana indray aza.

Eo amin’ny manodidina indray dia gaga ry zareo nahita anay telo mianaka satria taloha izahay mianakavy kely dia tsy mba nahavoavidy mena-bolo sy savony fa amin’ izao izany voavidy ary tsiaritry zareo ka nanotany izy ireo ka novaliako hoe nahazo fiofanana tamin’ny gender links izaho ary nahaizako nitondra ny fiainako.rehefa tena nivoatra izaho dia faly ny mpiara –monina sady niteny hoe aleo tsy manambady ihany maman’I andry far aha mbola nijanona tamin’ilay vadinao teo aloha ianao dia sady tsy mihinakanina ireo zaza no sady tsy mahay mitady vola tsara izaho.amin’izao izaho dia mba manome toromarika ireo vehivavy hiaran’ny herisetra .

Ny dingana ataoko amin’ny manaraka dia hikasa mba hanana fitaovana maro izao mba ahafahako mampiasa ireo namako tsy manana asa ireny .fa mbola manangom-bola amin’ny izany satria izao matahotra maka vola amin’ny OTIV sy CECAM.

Comments

Related Drivers Of Change

Linecurve pink 2x