Madagascar: Commune Rurale de Ramena

| Gender Links
Ny kaominina ambanivohitr'i Ramena dia 19 kilometatra miala an'i Diégo Suarez, any avaratr'i Madagasikara. Ny isam-ponina dia 11.225 ary mirefy 105 km² ny tanàna; Mizara ho Fokontany dimy (tanàna kely) ny kaominina, manana sekolim-panjakana dimy, sekoly fampianarana ankapobeny iray ary toeram-pitsaboana iray. Ny ankamaroan'ny mponina dia mivelona amin’ny fanjonoana sy ny fizahan-tany. Ivon-toerana Mendrika hatramin'ny taona 2014, ny kaominina dia eo am-panatanterahana ny drafitr'asa Miralenta sy ady amin'ny herisetra. Ireto manaraka ireo ny zava-bitan'ny kaominina momba ny Miralenta
- Fanavaozana ny Biraon’ny Kaominina tamin’ny taona 2016 ka nifarana ny taona 2017
- Fanamboarana ny trano ipetrahan’ny mpampianatra satria tsy manana trano ipetrahana ny mpampianatra avy any lavitra, tao andavakoera no nanaovana ny asa tamin’ny 2017
- Fitokanana sekoly vaovao mba itsinjovana ny hoavin’ ny zaza. Fokontany ankorikahely no nanaovana ny asa, kaominina ambanivohitra Ramena tamin’ny taona 2018
Momba ny drafitr’asa Miralenta sy ny ady amin’ny herisetra:
- Misy ny fanentanana ataon’ny komity Miralenta isam-pokontany, nampahafantatra ny rehetra ny fisian’izany sy ny tombotsoa tokony ho azo amin’izany.
- Misy ihany koa ny fanarahamaso ny fampiharana ny Miralenta eo anivon’ny kaominina
| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 312,5 | $ 375 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 0 | $0 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 0 | $ 0 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 0 | $ 0 |
Comments
Related Stories Of Change







