Skip to content

Madagascar: Commune Rurale Ambohibary

Wave marron 2x
| Gender Links

Porofo changement climatique

Kaominina Ivon-toerana Mendrika efa hatramin’ny taona 2011, ny Kaominina ambanivohitra Ambohibary dia ao amin’ny faritra Vakinakartra no misy azy. Ahitana mponina miisa 64 000, ao anatin’ny Kaominina Ambohibary dia ahitana fokontany miisa 19. Eo amin’ny lafiny foto-drafitr’asa, ny Kaominina dia manana toeram-pitsaboana ho an’ny daholobe 3, sekoly ambaratonga voalohany miisa 25, sekoly ambaratonga faharoa 4, oniversite iray tsy miankina ary foibe fiofanana arak’asa iray. Ny hetsika ara-toekarena lehibe indrindra eo amin’ny mponina dia mifototra amin’ny fambolena karaoty, legioma, voankazo ary fitrandrahana ala. Ambohibary koa dia malaza amin’ny famokarana fromazy.

Fijerena ireo toerana izay malalaka eo amin’ny tsena azo omena ny olona afaka mampiasa izany. 51,09 eo ho eo ny vehivavy avy eto an-toerana misoratra amin’ny fampiasana ny tsenan’Ambohibary ankoatra ireo mpivarotra mitety tsena avy any ivelany. Misy ihany koa ny fampindramam-bola avy amin’ny mpampisambo-bola natokana ho an’ny vehivavy te-handraharaha manokana

Fandraisana an-tanana ny fikarakarana ny antonta-taratasy ho entina manao asa fandraharahana (Fandoavan-ketra)

Fitadiavana mpiara-miombon'antoka avy any ivelany mba hamatsiana vola ireo mpandraharaha eo an-toerana: Mbola tsy misy afa-tsy ireo fampisamboram-bola madinika

Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no : Nampahafantarana ny Miralenta tamin’ireo Sefo Fokontany sy ny Komity miralenta, ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina; Nampandraisana anjara ny komity miralenta amin’ny fandaminana ireo olana mitranga eo anivon’ny fiaraha-monina; Nandrafetana ny drafitr’asa miralenta niaraka tamin’ny Komity miralenta; Nampidirana ny miralenta ao anatin’ny teti-bolan’ny Kaominina

FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018
KarazanyTeti-bola 2017Teti-bola 2018
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka$ 0$ 0
Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana$ 7 442, 11$ 7442,11
Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy$ 0$ 0
Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara$ 312,5$ 1 250

Taorian’ny fanisana ireo mpivarotra, raha 114 no mpampiasa ny tsena amin’ny andavanandro, dia mahatratra 76 ny tsena no misoratra amin’ny vehivavy, 20 misoratra amin’ny tanora.

Ankoatra izay, anefa dia vehivavy no mitazona ny tsena na dia lehilahy aza no misoratra amin’izany.

Amin’ny andro tsena iany koa dia vehivavy no betsaka mahazo toerana ato amin’ny tsenan’Ambohibary

Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Ambohibary.

Comments