Skip to content

Ho tratra ny Tanjoina

Wave green 2x
| Gender Links

Kaominina ambanivohitra sokajy faharoa niforona tamin ’ny 2004 ka FKT efatra no mandrafitra azy, ao anatin ’ny Distika Lalangina- Faritra Matsiatra Ambony. Miala 08Km ny renivohitry ny faritra mianavaratra ary manamorina ny lalam-pirenene fahafito(RN7). Mirefy 36Km ² ny velarany 2004-2007: Ben ’ny tanÁ na lehilahy no nitarika ary nisy mpanolo-tsaina valo, vehivavy ny iray. Tsy mbola nisy fidiram-bola ka trano nindramina no nanaovana CEG. Tsy misy tobim-pahasalamana, tsy nisy mpiara-miombon ’antoka ary tsy nisy politikan ’ny Miralenta. 2007 ka hatramin ’izao di beb ’ny tanÁ na vehivavy kai lay mpanolo-tsaina vehivavy no voafidy. Nanomboka ny fampidiran-ketra izay niarahana tamin ’ny ONG Fiantso. Nanangana ny BIF(Birao Ifoton ’ny Fananan-tany) izay niarahana tamin ’ny Fiantso ihany. 2010: Nanomboka nifankahita atmin ’ny Genders Links izay nametraka ny politikan ’ny Miralenta, nanaiky ny mpanolo-tsaina ary namoaka ny fanapahan-kevitra fa hampiharina ny politikan ’ny Miralenta. Nisy ny taratasy fifanarahana tamin ’ny roa tonta (Protocol d ’Accord). Tsapa izany amin ’ireto porofo ireto: • Fampidirana mpiasa lahy sy vavy ao amin ’ny BIFFananganana ny kaomitin ’ny Miralenta izay lehilahy no filohany • Fametrahana ao anaty tetibolan ’ny kaominina ny teti-bola miahy ny Miralenta sy ny Fanatanjahan-tena. Izany dia porofo fa manaiky ary hanatanteraka ny kaominina • Misy ny fandraisana ireo voan ’ny herisetra ataon ’ny kaominina, kaomitin ’ny Miralenta. • Tafatsangana ireo foto-drafitr ’asa mahasahana ireo tombotsoan ’ny lahy sy ny vavy (CEG, EPP, CSB II) • Fananan drafitr ’asa fampidirana ny Miralenta (Plan d ’Action) • Lasa ivon-toerana mendrika (COE ny kaominina) ary nandrombaka ny amboara tany Afrika Atsimo tamin ’ny taona 2012. • Fametrahana ny teti-bola ifarimbonana (Budget Participatif) izay miainga avy any amin ’ny hevitry ny vahoaka lahy sy vahoaka vavy ny famolavolana ny asa hatao.Izay mampiseho sahady ny demokrasia. • Ao ihany koa ny fampsakafoanana ny mpianatra lahy sy vavy miatrika ny fanadinam-panjakana • Atsangana ny kaomity misahana ny ady amin ’ny Fiovaovan ’ny toetr ’andro • Fampialana voly ny tanora, fananganana ny kaomitin ’ny fahasalamana, fahavitan ’ny dingana (Stage 1-9) niarahana tamin ’ny Gendr Links. • Fampihenana ny tahan ’ny voan ’ny herisetra, fanampiana ireo trÁ boina • Fanaraha-maso ny fahasalaman ’ny reny sy ny zaza, fitiliana maimaimpoana ny VIH sy ny aretin ’ny vozon ’ny tranon-jaza.

Comments