Skip to content

Madagascar: Voahirana RABAKOLINANDRIANALIVAOSOA

Wave green 2x
| Gender Links
NameRABAKOLINANDRIANALIVAOSOA
SurnameVoahirana Lydia Jeanne Eleonore
CountryMadagascar
Give a short history of the leaderNy taona 1999 aho no niditra tamin'ny sehatry ny asa voalohany ary tao amin'ny kaominina ambonivohitry Mahajanaga no nanombohako izany. Efa nahafantatra kely ihany fa saingy manjavozavo ny fahaizana izany, fa tamin'ny fitsidihan'ny GL ny kaominina tamin'ny taona 2013 no nanazavana ny niforonany sy ny foibeny ary ny atao hoe Miralenta. Ny maha zava-dehibe azy dia ny fitondrany makany amin'ny fandrosoana satria raha oharina amin'ny vorona manidina i Madagasikara ka ny lahy sy vavy ilay elatra tokony hampanidina azy ka raha tapaka na tsy ampiasaina ny iray dia tsy afaka hanidina mihintsy ilay vorona.Noho izany dia tsy afaka handroso mihintsy isika raha tsy miara-miasa ho an'ny fampandrosoana an'ity nosintsika ity.
Objectives- Hampafantatra ny olona sy hanazava ny tena maha zava-dehibe ny miralenta hoan'ny fampandrosoana, tsy maintsy miainga avy ao an-tokatrano anefa ny fampahafantarana sy fanovana ny fomba fijery izany , miparitaka any amin'ny fianakaviana , eny anivon'ny fiarahamonina, ny fikambanana, ny fokontany maro mitambatra no lasa kaominina, kaominina maro mitambatra no lasa distrika, distrika maro mitambatambatra no lasa faritra ary manenika ny firenena rehetra manerana izao tonolo izao.
Key activities- Fanovana ny tena aloha ny voalohany indrindra. - Fahampafatarana sy fanentanana ny olona hisahatra ao anatin'ny Miralenta - Famporisihina ireo vehivavy amin'ny fandraisana anjara politika na hanohanany ny namany izay vonona handray andraikitra.
Key challengesTsy mora ny asa natao satria maro ireo olana nosadraina fa santionany amin'nizany ny resaka fombandrazana, ny toetsaina raikitampisaka volen'ny fiarahamonina, etsy andanin'izany ny tsy fitiavana na ny tsy fahazarana mandray andraikitra, ny tsy fahatokisan-tena.

Results

Change at the individual levelEny tena nanova ahy tokoa ny fanatanterahana ny asa satria arakaraky ny fahamaroan'ny tranga no mampitombo ny traikefa ananana indrindra fa ny fandraisana andraikitra no tena ilaina. Fiovana azo avy amin'nyfahazoana fiofanana matetika iarahana amin'ny ireo mpiaramiombon'antoka indrindra fa ny GL, teo ihany koa ny UNESCO;
Evidence of change at the individual levelMisy porofo
Change at the household levelLasa nisy fiovan'ny fomba fijery sy ny fomba firesahana izany teo anivon'ny fiainan-toktrano sy ny fianakaviana satria niezaka aho ny nizara izay fantatro sy izay kely azoko tamin'ny fiofanana . Tsy ny fanovana olona iray eo anivon'ny tokatrano akory no ahitana fahombiazana fa ny fanovana ny rehetra mihintsy no ilaina ( Changement sociale).
Evidence of change at the household levelMisy porofo
Change at institutional levelMisy porofo
Evidence of change at institutional levelMisy porofo
Change at a policy levelNItombo ny tahan'ireo vehivavy nandray anjara tamin'ny sehatr'asa rehetra ary tsy vitsy koa ny nandray anjara tamin'ny Fifidianana: solombavambahoaka, chef FKT, filohan'ny fikambanana, chef district, chef de region ,Minisitra,filoha-mpirenena,sns ... Midika izany fa nanova zavatra teo amin'ny lafiny ara-politika tokoa ny miralenta.
Evidence of change at a policy levelMisy porofo
Capacity building-Fijerena ny loahevitra -Iza avy ireo olona hofanina - Aizany toerana hanaovana ny fiofanana - Ahoana ny fomba fampitana izany Efa nisy tokoa ny fanofanana izay natao tamin'ireo vehivavy 18 ka hatramin'ny 30 taona momban'ny "fampandraisana anjara ara-politika sy ny Miralenta ary herisetra" izay natao teto Mahajanga ary nahatratra 600 ireo nahazo fiofanana.
Lessons learned and sharedMaro ny dingana nrahina tamin'ny fanatan-terahana ny asa ka ny lesona azo tsoahina dia ny hoe: - Mazotoa mandray andraikitra ary ataovy ampitiavana izany - Mahaiza mifampizara traikefa amin'ny hafa. - Manana faharetana - Mazotoa miofana fa izany no itomboan'ny fahaizana
Next StepsNy asa rehetra izay efa natomboka dia tsy maintsy tohizana ary asiana fanaraha-maso sy tombana na mialoha , na mandritra , na aoriana.

Comments

Related Drivers Of Change

Wave green 2x