Madagascar: Commune Rurale Anjozorobe

Nanao fanentanana ny rehetra tsy manavaka maha lahy na mahavavy ny fitsaran-tany faobe Ramatoa Lehiben’ny TTA tao amin’ny tranopokonolona Anojorobe. Noresahina manokana niarahana tamin’ny Ben’ny Tanana ny fitovian-jo mikasika ny zo sy fizakamanana momba ny fananantany.
Fanatanterahana fitsarana sy famoahana kopia nahaterahana sy karampanondro faobe 20 /12/17. Teto amin’ny efitra malalaka ny kaominina no nanatenterahina ny kopia faobe izay notanterahan’I RANIVOARISOA Lalao Hortensia , solotenan’ny Mpitsara sy ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana . Namepetra ny tompon’andraikitra ifotony izy mba tsy ho ambanin-javatra ny fanomezana kopia ny vehivavy izay hita fa maro ny mbola tsy manana kopia ankehitriny.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no: Ny Kaomininadia mametraka Kaomity Miralenta manerana ireo 24 Fokontany mandrafitra ny Kaominina Anjozorobe ka ahitana ireo sokajin’olona rehetra (Vehivavy, Lehilahy, Ray aman-dreny toteny, Tanora, Solontenam-pikambanana samihafa, Olonamanana Fahasembanana). Ny filohan’ny Fokontany no mitarika izany isam-pokontany: Famoronanaasa hoan’ny Vehivavy; Fitovizan’nyVehivavy sy ny Lehilahy ara-karama ( 4000 Ar /andro); Fitovizan’nyvehivavy sy Lehilahy amin’ny fahazahoana Tombontsoa isan-karazany (fiofanana, fanentanana, sns...); Ireodrafitr’asa ireo dia ankatoavin’ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolotsain’ny Kaominina, Ampahafantarina ny vahoaka ireo rehetra ireo FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 1093 | $ 0 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 0 | $ 0 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 1 406 | $ 0 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 1 000 | $ 0 |
Amin’ireo tsena mihidy ( pavillon) 46 dia ny 27 dia vehivavy avokoa ankehitriny no mampiasa azy.
Nandritra ny fampafatarana ny fizarana ny tsena dia nomena tombony manokana ny vehivavy ho fitsonjovana azy hanana asa mipetraka tsy hivezivezy.
Momba ny % tetikasa, 2 ao anatin’ny 3 dia natokana fampahefana ny vehivavy avokoa ary nomena fiofanana amin’izany izy ireo.
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Anjozorobe.Comments
Related Stories Of Change






