Madagascar: Commune Rurale Anjom’Anankona

Ao anatin’ny faritra Matsiatra Ambony no misy ny Kaominina ambanivohitra Anjoman’Ankona. Ny kaominina dia mirefy 104 km2ary ahitana fokontany miisa 11. Nanatevin-daharana ny Ivon-toerana Mendrika nanomboka ny taona 2011. 55%n’ny mponina dia vehivavy avokoa ary ny ankamaroan’ny mponina dia mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Anjoman’Ankona dia manana sekoly ambaratonga voalohany miisa 11 ary sekoly ambaratonga faharoa miisa 2. Ny tena zava-manahirana eo amin’ny Kaominina dia eo amin’ny lafiny serasera satria tsy mbola misy tambajotra telefonika.
Fisian’ny tetikasa miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo; nanatsara ny loharano fatsakana iarahana amin’ny FID; Natsaraina ihany koa ny drafitrasa momba ny tsena. Mitady ahazo laka ny tsy fanjarian-tsakafo ary nomena fiofanana ny renin-jaza momba izany. Fanampin’izany dia nomenafiofanana ny tantsaha momban’ny teknika famokarana (SRI,SRA,ny fampiterahana sy fanatavezana kisoa, voly maharitra toy ny voasary ,geranium), fampanatodizana sy fanatavezana trondro. Fiofanana sy fizarana fitaovana ary masomboly sy masom-biby hoan’ny tanora natolotrin’ny FORMAPROD. Naraha-maso avokoa ny ara-barotra, nojerena ny miditra sy mivoaka eo anivon’ny kaomininaary ny ticket indrindra rehefa tsena. Ary mba ho fanatsarana ny vidim-bokatra dia nitady lalam-barotra ivelany
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny aty amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no :
Fanatsarana ny fotodrafitrasa (fandiovana); Fiaraha miasa amin’ny mpitandro ny filaminana; Fampiharana firaisankina (auto defense) hetsika 16 andro hiadiana amin’ny herisetra: fampahafantara ny vahoaka ny antsoina hoe herisetra; fampandraisana anjara ny AKS amin’ny fanentanana; hetsika hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona; Firindrany fiaraha-miasa ny kaominina sy ny mpitandro filaminana; fanamafisana fahaizamanao an’ireo tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fiofanana(fambolena,fiompiana,asa Tanana,jono); fanofanana ireo ankizy na tanora tsy mianatra intsony amin’ny sehatra famokarana; fitantanana fahaiza manao any amin’ireo mpitantandraharaha. FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 125 | $ 187,5 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 1065,74 | $ 1375 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 156,25 | $ 203,12 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 269 | $ 0 |
| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 125 | $ 187,5 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 1065,74 | $ 1375 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 156,25 | $ 203,12 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 269 | $ 0 |
Tao anatin’ny drafitr’asa ny kaominina ny fanaraha-maso ny tsena. 58% tamin’izany dia vehivavy no nahazo tombony, 5% dia nomena ny sembana ary 42% no anjaran’ny lehilahy.
Ho fampahefana ny vehivavy dia nosokajiana ho 4 karazana ireo fanamafisana fahaiza manao: fanamafisana fahaizamanao an’ireo tantsaha mpamokatra; fanofanana ireo ankizy na tanora tsy mianatra intsony; fanafisana fahaizamanaon’ny mpiasa na tompon’andraikitra; fitantana tetik’asa (VOI,FIKAMBANANA).
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Anjoman'Akona.
Comments
Related Stories Of Change






