Madagascar: Commune Rurale Alakamisy Itenina

Nanamboatra barazy izay entina hanondrahana velarantany 182 ny kaominina. Tanjona amin’izany no hampiakarana ny voka-bary mba hanatsarana ny farimpianan’ny tantsaha izay miisa 266 tokantrano. Tamin’ny volana octobre 2017 no nanomboka ny fanamboarana ka tamin’ny volana Janoary 2018 no vita ny asa.
Mba ho fanantsarana ny fidiram-bolan’ireo mpiompy tantely dia nanamboatra trano fanodinana tantely ny kaominina. Izany dia natao mba hanodinana ny vokatra mba hitombo kokoa ny vidin’ny vokatra.
Ny faran’ny taona 2016 dia nanorona sekoly fanabeazana fototra ao amin’ny fokontany Ambalafahababo ny kaominina. Izany dia natao mba hanatsarana ny lafin’ny fampianarana ary koa mba hisian’ny sekoly manantona kokoa an’ny vahoaka.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny heristra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no : Nankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny vehivavy, 8 Martsa 2018; Ny fankalazana ny 16 andro ihadiana amin’ny herisetra ny Desabra 2018; Fanomezana asa ho an’ireo sembana ( trano fidiovana); Fametrahana teti-bola momba ny miralenta ny taona 2018; Fanomezana sehatra ny vehivavy amin’ny fiantsoampivoriana; Fandraisana andraikitra mba hiarovana an’ireo vehivasy sy ny ankizy amin’ny herisetra amin’ny fanitarana ireo jiro amin’ny lalana; Fampidirana rano fisotro madio; Fanolorana efi-trano ano an’ny fikambanana miralenta; Fampitomboana ny fahaizamanao ny vehivavy; Fampivondronana ireo fikambanam-behivavy 46.
Manana vaomiera mpanaramaro ny asa rehetra momba ny miralenta koa ny kaominina ka izany no mampahafantra ny vahoaka amin’ny alalan’ny fivoriambe eo anivon’ny kaominina sy isam-pokontany.
FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 625 | $ 782 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 432 | $ 532 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 690 | $1 375 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 250 | $ 438 |
Taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitr’asa ny kaominina momba ny rano fisotro madio dia ireo vehivavy sembana no nampiandreketan’ny kaominina an’izany.
Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Alakamisy Itenina.Comments
Related Stories Of Change






