Skip to content

TENA RIVOTRA IAINANA MIHITSY EO AMIN ’NY SEHATRA REHETRA MISY NY “ MIRALENTA ” AO AMIN ’NY KAOMININA ANDOHARANOMAITSO

Wave purple 2x
| Gender Links

Ny Kaominina dia feno habibiana teo aloha satria maro tamin ’ireo tokantrano no anjakazakan ’ny lehilahy ary tsy manam-pahefana amin ’ny fananana, fananan-tany, fananana omby, eny na dia amin ’ny zanany azan y vehivavy. Tsy lavorary koa ny fandriampahalemana ka tebiteby lava no niainana. Hita tamin ’izany koa fa lehilahy avokoa ny mpiasan ’ny Kaominina ary tsy nampianatra ankizivavy ny Ray aman-dReny maro. Ankehitriny anefa dia ny Kaominina Andoharanomaitso no mampianatra zazavavy be indrindra ary koa milamina ny tany, mihena ny tranga na herisetra isankarazany. Maro ireo karazana fikambanam-behivavy hita sy mijoro etsy sy eroa ary efa maro koa ny vehivavy miasa ao amin ’ny Kaominina sady manana ny zony rehefa miteraka (congé de maternité sns...).

Comments