Ny Centre d ’écoute et conseils Juridiques dia ivon-toerana natao hihainoana sy fampandraisana an-tanana ny olona izay iharan ’ny herisetra na/sy iharan ’ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny. Ny fikambanana CAFF no


Ny Centre d ’écoute et conseils Juridiques dia ivon-toerana natao hihainoana sy fampandraisana an-tanana ny olona izay iharan ’ny herisetra na/sy iharan ’ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny. Ny fikambanana CAFF no miandraikitra io ivotoerana io raha ny eto Fianarantsoa. - Fiahainoana sy fampandraisana an-tanana ny olona iharan ’ny herisetra sy iharan ’ny tsindry hazo lena - Fampahafantarana sy Fandresen-dahatra ireo manampahefana sy ny tompon ’andraikitra eny ifotony (palidoyer) - Fanentanana eny anivon ’ny Firaisana (commune), Fokontany, sekoly, Fikambanana - Fiaraha-miasa amin ’ny tambazotra miady amin ’ny herisetra - Fidinana ifotony na ny visite Á domicile Azo lazaina fa nahomby io tetik ’asa io satria - Nitombo ireo vehivavy na lehilahy sahy miteny sy mamaky batsilana (briser la glasse) - Hita ny fandraisana andraikitra ataon ’ireo manampahefana eny ifotony amin ’ny fanentanana sy ny fandraisana ary ny familiana momba ireo disadisa sy olam-piarahamonina ao amin ’ny toerana iadidiany - 80% amin ’ireo olona noraisina teto amin ’ny CECJ no afa-po nandritry ny fandraisana azy

