Commune Rurale Andoharanomaitso

Entry 13003
Fisoratana faobe nataon’ny kaominina ka ny Ben’ny Tanàna Lefitra faharoa (vehivavy) no manatanteraka ny asa tamin’ny 14 Novambra 2017, tao amin’ny Tranompokonolona Andoharanomaitso, ny antony dia ny mba hanomezana zo ny vehivavy hanambady
Fanomezana fiofanana arahana fanentanana ny vehivavy, ary fampahafantarana ny zo tokony hananan’izy ireo.
Fampiofanana ny lehilahy momba ny VBG tamin’ny 05 Juillet 2017 sy 14 Octobre 2017
Tamin’ny 10 Desambra 2017, dia nisy ny “carnaval” izay nahitana ny sokajin’olona rehetra manerana ny 23FKT mandrakotra ny kaominina Andoharanomaitso. Izany dia fankalazana ny 16andro iadiana amin’ny herisetra.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no : nanavaozana Drafitrasa Miralenta; nampitomboana ny vehivavy nahazo karatany (BIF); nampitomboana ny vehivavy vita fisoratam-panambadiana aram-panjakana ; nampiditra ao anatin’ny Tetibola Miralenta io Drafitrasa iasan’ny Kaominina io.
FAMINTINANA NY TETI-BOLA MOMBA NY FAMPIDIRANA NY MIRALENTA 2017-2018| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 26 | $ 31 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 265 | $ 592 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 5343 | $ 21 900 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 312 | $ 936 |
Tafapetraka hatrany amin’ny 23 Fokontany ireo Komity Miralenta dia 15x23 Fokontany = 345
Entry 13005
Isan’ny Tsena 01, vehivavy avokoa ny 45%, lehilahy ny 40%, nomena ny sembana ny 5%, ny 10% amin’ireo dia tanora. Ireo salan’isa ireo dia miainga avy amin’ny fisian’ny Trano Tsena sy ny toerana ivarotana ivelan’ny Tsena.Mihoatra ny 12 ny tetikasa, andraisan’ny vehivavy sy ny vitsy an‘isa anjara avokoa eo anivon’ny kaominina. Ohatra amin’izany ny fahazahoan’izy ireo fanentanana, fiofanana, atrik’asa mba hampitombo ny fahalalany momba ny fiharian-karena. Ny 50% ny tetik’asa dia omeana ny Vehivavy; Ny 10% ny tetik’asa dia omena ny sembana; Ny 10% ny tetik’asa dia omena ny tanora; Ny 30% ny tetik’asa dia omena ny Lehilahy
Fehiny:Vavy=50%; Lahy=50%Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Andoharanomaitso.Comments
Related Stories Of Change







