Madagascar: Commune Rurale Analavory

Entry 13012
Fivorian’ny birao Miralenta kaominina Analavory nananganana ny drafitrasa taona 2017 notarihan’ny filoha, miaraka amin’ireo mpikambana rehetra tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina (Mai 2017), ny anton’izany dia fanavaozana ny drafitrasa Miralenta.
Fivorian’ny herivelona tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2017 ho fiarovana amin’ny fanolanana sy iadiana amin’ny herisetra satria nahitana izany tranga izany eo anivon’ny Kaominina
Atrikasa mikasika ny fananan-tany satria dia tena ilaina tokoa ny torolalana eo amin’io sehatra io.
Manana drafitr’asa momba ny miralenta sy ny ady amin’ny herisetra ny kaominina ary avy tamin’izany drafitr’asa izany no : Nametrahana tetibolan’ny Miralenta;nampitomboana fotodrafitrasa (rano, sekoly, tohadrano, jiro,tobin’ny zandary, fahasalamana,); Fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toe-trandro; Fananan-tany sy toeram-ponenana; Serasera ; Toe-karena; Fampahefana ny vehivavy; Fiaraha-miombon’antoka.
| Karazany | Teti-bola 2017 | Teti-bola 2018 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fanapahan-kevitra sy ny fandraisana anjaran'ny vahoaka | $ 156 | $ 125 |
| Teti-bola natokan'ny kaominina hampiroboroboana ny fiahiana ny mpiasa mifanaraka amin'ny Miralenta , ny tanora ary ny sembana | $ 156,25 | $ 156,25 |
| Teti-bola (Ariary) novinaina hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toe-karena mifanaraka amin'ny Miralenta ary ny tolo-bidy | $ 312,5 | $ 612,5 |
| Teti-bola natokana hampiroboroboana ny tetikasa momba ny fiovaovan'ny toe-trandro handraisan'ny sokajin'olona rehetra anjara | $ 12 812,5 | $ 12 812,5 |
Entry 13014
Ny ankamaroan’ny mpiasan’ny kaominina dia vehivavy avokoa saingy tsy mbola misy ny sembana ary vitsy ny tanora raha miohatra amin’ny lehibe . Midika ho fahamatorana kosa anefa izany ary samy mahazo tombotsoa mitovy ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny asany saingy miankina amin’ny servisy sy ny mari_pahaizany ny karamany ary faharetany teo amin’ny asany . Maro ny tetikasa ara-toekarena natokana ho fampahefana ny vehivavy sy ny vitsy an’isa : Varotra , Asa Tanana , Fandraharahana, Fizahantany, Mahatratra 60%.Cliquez ici raha mila fanazavana fanampiny momba ny kaominina Analavory.Comments
Related Stories Of Change







