Skip to content

Andraikitry ny kaomina ny fampiarana ny miralenta

Wave purple 2x
| Gender Links

Manaova filazalazana fohifohy momba ny kaominina Isalo ao amin ’ny distrikan ’ny Miandrivazo mpikambana ao amin ’ny OPCI Fivoarana izay itambaran ’ireo kaominina dimy ao amin ’ny tapany atsimo, manana velarantany 340,71 Km2 ny vehivavy no be indrindra ny mponina ao manana fokontany folo. Mpamboly ny 95% ny mponina Manana fomba amam-panao tsy manome lanja ny vehivavy teo aloha Rehefa nanomboka fiarahamiasa tamin ’ny gender links ny kaominina tamin ’ny 2011 izay nanatanterahana ny fiofanana misy dingana folo hita taratra teo sahady fa maro ireo toetra sy fanao nialana tsikelikely Efa sahy mandray fivoriampokonolona ny vehivavy, maro koa ny vehivavy resilahatra ka nanao karapanondro, maro ireo vehivavy izay mamonjy fiofanana, marokoa izy ireo manana tetik ’asa madinika, betsaka ny ray amandreny miala amin ’ny fomba amampanao mampitokatrano ny zanany vavy tsy ampy taona

Comments