Skip to content

ny Kaominina intsony ny rano fisotro Madio

Wave purple 2x
| Gender Links

Ity kqomininq Mafaijijo ity taloha dia mbola niaraka tamin ’ny kaominin ’ny Maintirano ka tamin ’izany izy dia nantsoina hoe Kaominina Suburbine ka mbola tany Maintirano an-tampo-tanana no nisy ny birao iasan ’ny Ben ’ny Tanana sy ny piara miasa aminy. Azo lazaina mahaleo tena ihany izy tamin ’izany fitatanan-draharaha tamin ’ny ankapobehany satrie efa voahavaka tsara ihany ny olona fehezina avy any ambanivohitra ka ireto avy izy ireo: Mafaijijo, Amboanio, Ambonara Sud, Antanandava, Ambalarano, Amboloando, Antsoamalinika ary ireo zanabohitra tamin ’zany , Efa nisy amin ’ireo zana-bohitra no efa la fokontany toy ny Ambalarano, Antanandava Nord ary ankirifotsy. Ao anatin ’ireo tanana na fokontany sivy amin ’izao fotoana izao no mandrafitra ny kaominin ’ny Mafaijijo ka ahitana mponina misia 8 772 fitambarany ary ahitana foko saika izy rehetra, fa kosa ny foko antaisaka no be indrindra. Mpamboly sy mpiompy ny raharahan ’ny Mponina izay miaina anatin ’ny velearantany 420 Km2 ary fito kilometatra antsinanan ’I Maintirano renivohitry ny Distrika ato anatin ’ny faritra melaky.

Comments