Skip to content

Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra

Wave purple 2x
| Gender Links
Fiara-miasan ’ireo mpiaranombon ’antoka ho fahapaharetana ny asa ihadiana amin ’ny herisetra

Rehefa nanao fanadihadihana teny ifotiny izahy dia hita fa ny vehivavy marofy sy mahantra ary ny ankizivavy no tena ianjadian ’ireo karazana herisetra ireo. Ka ny maha zava-dehibe an ’ilay olana itako dia noho izy io vokatry ny tsy fahampian ’ny fahalalalan ’ireo niaram-boina sy noho ny fanararaotan ’ireo mahalala sy mahery;ka toizao ny fizotrany zany disadisa izany 80% n ’ireo niresahana dia manana olana avokoa eo anivon ’ny fiarahamonina sy ny mpiarabelona ary ny 56% amin ’izy ireo aza dia mihevitra fa ny lehilahy loham-pianakaviana fa izay ataony dia ankatoavina avokoa eo anivon ’ny tonkatrano. Ka izany rehetra izany no nana mafy orina ny fikambanana mba anatsarana sy hisian ’ny filaminana eo amin ’ny mpiara-belona dia notanteraina ny tetik ’asa mba hanatratrarana ny tanjona dia ny mba hampienana ny disadisa eo anivon ’ny fiarahamonina sy ny mpiarabelona Toy izany iany koa ny fatana ny olona manantona ny foibe izay hita fa mitombo isanandro dia mahonena no mijery ny olona mitaraina tsy hilaza hafa tsy ny zava nisy nandritra ny efatra taona nifanesisesy tao amin ’ny foibe ny olona nandalo tao: ny taona 2009 dia nahatratra 328, ny taona 2010 dia nahatratra 558, ny taona 2011 nahatratra 840, ny taona 2012 nahatratra 1121 izany dia manamarina fa mijaly ny mpiarabelona tsy sahy mitaraina , ary tsy sahy miseho sy maneho ny zavatra mahazo azy, arak ’izany dia natao mafy ny fandraisanay andraikitra mba hahamaro ny olona tsy hanafina intsony ny sindriazolena mahazo azy, ary mba afahana mampiena ny disadisa miseo eny anivon ’ny mpiarabelona, Teo iany koa ny fanehoana fahefana izay ataony ireo manam-pahefana na ireo manankatao izay tsy mijery ny vahoaka madinika miaina ao anaty fangirifiriana tanteraka; toy ny fanaovana tsinontsinona azy ireo amin ’ny fananany sy ny fiainany, ka matonga tsy fahalavorariana ny fiainana, izany rehetra izany no mahatonga anay mijery mafy eny hifotony mba handravonana ireo disadisa sy hampienana ny herisetra miseo isankarazany ireo

Comments