Skip to content

NY VEHIVAVY SY NY FIFIDIANANA KAOMINALY

Wave marron 2x
| Gender Links
NY VEHIVAVY SY NY FIFIDIANANA KAOMINALY

Taorian ’ny fiofanana maro azo tamin ’ny ONG Genderlinks momba ny miralenta sy fampandrosoana. Ny Lohahevitra iray mahakasika ny Miralenta sy fitondram-panjakana no tena nandresy lahatra izahay ka nasahina nirotsaka niasa an-tsitrapo amin ’ny fanentanana ny vehivavy hiditra amin ’ny sehatra politika mba hahafahana hanatratra ny tanjona 50/50 2015, Hita sy tsapa koa fa mahavita zavatra ny vehivavy rehefa mahazo toeran ’ny mpanapa-kevitra raha mahalala tsarany asa tokony ataony sy miandry azy ny vehivavy. Ohatra raisina amin ’izany ny Ben ’ny tanÁ na ny Antanamitarana: izy 1 ihany ny vehivavy Ben ’ny tanÁ na ato amin ’ny Distrika ny Diego II nefa mahavita mihoatra ny vitan ’ny lehilahy.

Comments