Skip to content

MIRALENTA FOTOTRA SY FANOITRA HO AN ’NY FAMPANDROSOANA NY KAOMININA ALAKAMISY ITENINA

Wave marron 2x
| Gender Links

ALAKAMISY ITENINA dia KAOMININA AMBANIVOHITRA ambaratonga faharoa ao anatin ’ny Distrikan ’I VOHIBATO Faritra MATSIATRA AMBONY, 40 Km miala ny FIANARANTSOA,velaran-tany 365 Km2 ,mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan ’ny mponina.Tsy nahalala hafatsy ny fanorenana fotodrafitrasa no atao hoe fandrosoan ’ny KAOMININA hany ka tsy nampiditra ny MIRALENTA tamin ’ny fitantanana,ny vehivavy rahateo tsy navitrika mivory ara-panjakana fa ara-mpampianarana sy ara-piangonana no ahitana azy ireo mivory tany aloha.Tsy nisy mpiasa vehivavy tao amin ’ny KAOMININA lahy avokoa ireo mpanolontsaina sy mpanatanteraka.nahamenatra ny miresaka ny herisetra mpahazo ny vehivavy hany ka nokobokobonina tany izany tany aloha ary vita raharaham-pihavanana fotsiny. Ny taona 2011 taorian ’ny fiofanana niarahana tamin ’ny ekipa GENDERS LINKS no naha ivontoerana an ’ALAKAMISY ITENINA ka nanjary nanana fiery MIRELENTA hatrany ny mpitantana ny KAOMININA amin ’izay atao toy ny fiantsoam-pivoriana,famolavolana tetikasa mijery manokana ny tombontsoan ’ny vehivavy,nametraka sora-bola ao amin ’ny tetibolan ’ny KOMININA natokana ho an ’ny MIRALENTA,miantso ny vehivavy hivory sy handray antanana ny fampandrosoana ny KOMININA,ary manome fitenenana azy ireo mandritra ny fety atao.Tafatsangana ny komity MIRALENTA ary napetraka ny centre d ’ecoute eo anivon ’ny KOMININA handrisana ny olona manana olana.

Comments